♦ Tsy tana ny ain'ilay zaza valo taona, iray tamin'ireo sivily enina naratra tamin'ny lozam-pifamoivoizana teny Ambatobe... ♦ Efa tomombana ny fandraisana ny fivoriana ara-potoan'ireo Solombavam-bahoaka, izay hanomboka rahampitso... ♦ Tsy ahitana henan'omby any amin'ny tsenan'i Mananjary, efa ho efatra andro izao...
♦ Notanterahina tamin'ny sabotsy ny Eokaristia Masina nanombohana ôfisialy ny taom-pianarana 2021-2022 ho an'ny sekoly katôlika, natao teny amin'ny Esca Antanimena... ♦ Nankalaza ny andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fahantrana lalina ny fikambanana ATD quart Monde ny sabotsy teo. Loha-hevitra nanamarihana izany ny hoe : ankizy mahomby amin'ny fianarana antoka iadiana amin'ny fahantrana lalina, indrindra ny vehivavy... ♦ Mbola hisy omby vavy an'arivony no hafaran'ny fanjakàna mba ahafahana mameno izay vokatra ronono tsy ampy eto Madagasikara...
♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly alahadyny fankalazàna ny andro maneran-tany ho an'ny misiona sy ny fanokafana ny sinaodin'ny eveka, izay hotanterahina ny taona 2021 hatramin'ny 2023... ♦ Niharan'ny lozam-pifamoivoizana ny fiara "blindé", izay mamarana ny "cortège" miara-dia amin'ny filoham-pirenena omaly tolak'andro tokony ho tamin'ny 3 ora teny Ambatobe. Tsy nisy ny aina nafoy, fa olona 10no naratra... ♦ Vita ny fanavaozana ny toeram-pialamboly sy fitsangatsanganana eny Analamanga Park, kaominina Ambalavao, distrika Antananarivo-Atsimondrano, ny Faritra no niantsoroka ny lany rehetra...
♦ Miroso amin'ny fampianarana amin'ny alalan'ny teknolojia nomerika vaovao ny sekoly ambony tsy miankina ESDES... ♦ HIverina handray ny fandaniana jiro amin'ny kaontera isan-tokantrano ny Jirama... ♦ Velon-taraina amin'ny fanaparam-pahefana ataon'ny tompon'andraikitry ny orinasa sinoa iray any Mitsinjo ny solombavambahoaka avy any amin'ity distrika ity...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco