♦ Ho maimaimpoana avokoa manomboka izao ny "premier soin" any amin'ny sampandraharaha" service d'urgence" any amin'ireo hopitaly rehetra any amin'ny renivohim-paritra sy CHR manerana ny nosy... ♦ Betioky-Atsimo : trafika sy fakana an-keriny zaza varira ; olona enina voasambotra, Ben'ny tanàna am-perinasa ny iray, natolotra ny fitsaràna tany Toliary omaly izy ireo... ♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zo hianatra ireo mpianatra ao amin'ny ENS Ampefiloha. Nilanja sora-baventy nanoloana ny ministeran'ny asa vaventy ireo mpandraharaha mpanao lalana tsy mbola nahazo ny volany...
♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zo hianatra ireo mpianatra ao amin'ny ENS Ampefiloha androany. Nilanja sora-baventy nanoloana ny Ministeran'ny Asa Vaventy ihany koa ireo mpandraharaha mpanao lalana tsy mbola nahazo ny volany hatramin'izao... ♦ Feno 130 taona ny Hôpitaly Miaramila eny Soaviandriana. Tsangambaton'ny taon-jobily ny fanavaozana sy ny fanitarana ny sampan-draharaha handraisana ny hamehana eny an-toerana, notokanan'ny Filoham-pirenena androany...
♦ Nisehoana fanafihana fandrobàna vola in-droa miantoana tany Andohanilakaka, tao anatin'ny iray andro... ♦ Miantso amin'ny tokony hanohizana indray ny fitsaràna momba ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara ireo mpitsara namany... ♦ Mitohy hatrany ny fitsirihana ireo fiara mpitatitra mialoha ny fiaingany eny amin'ny tobim-piantsoanana Fasan'ny karàna, hoy ny tompon'andraikitra...
♦ Hitohy anio ny fihainoana ireo olona ahiahiana ho niray tsikombakomba tamin'ny tsy fahitàna an'i Eddy Maminirina tao amin'ny efitranon'ny hopitaly nitsaboana azy... ♦ Mbola hitohy hatramin'ny 19 oktobra 2021 izao ny fizarana karatra vaovao ho an'ireo mpandray fisotron-dronono... ♦ 5 volana taorian'ny fanafihan-dahalo nahery vaika nahazo ireo mponin'i Benonoky Midongy Atsimo. Valaketraka ary tsy nisy mpijery sy mpanohana intsony ireo mponina...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco