♦ Naneho ny heviny ny lehiben'ny Governemanta, amin'ny toe-draharaha pôlitika eto amintsika. Tokony avela hiasa aloha ny Governemanta, vao misy fanakianana, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Any amin'ireo mpanolotsain'ny tananan'Antananarivo ny fanapahan-kevitra farany momba ny asan'ireo "Taxi moto", ao an-drenivohitra. Miteraka resa-be izy ity, milaza ny tsy manana tanjona hanome alalana ho azy ireo ny Ben'ny tananan'Antananarivo...

♦ Hisy vidin'entana vaovao tokony hihatra eny an-tsena manomboka ny volana septambra izao. Nambara androany ohatra, fa tsy tokony hihoatra ny 6000 ka hatramin'ny 7000 Ariary ny litatra amin'ny menaka eto amintsika... ♦ Efa maherin'ny 25000 no efa vita vakisiny Astrazeneca andiany faharoa tao anatin'ny tapa-bolana. Efa maherin'ny 3000 koa no nisitraka ilay vakisiny vaovao Johnson and Johnson, ka anisan'ny nitsindrona izany ny Praiminisitra...

♦ Vinavinaina hisokatra amin'ny volana oktobra izao ny sisin-tanin'i Madagasikara, miankina amin'ny fivoaran'ny valan'aretina amin'ireo firenena mifandray amintsika... ♦ Maimaimpoana ny fanatrehana ny lalao eo amin'ny Barea sy ny ekipam-pirenen'i Bénin ny 02 septambra ho avy izao... ♦ Hanomboka amin'ny 27 septambra izao ny dingana faharoa amin'ny fifaninana hididrana ho mpiofana ho mpandraharahan'ny fonja, any amin'ny ENAP ao Antetezamabaro-Toamasina... 

♦ Tratran'ny aretina mbola tsy voafaritra mazava tsara, ny akoho manatody lava, ao Antanetibe Mahazaza ato amin'ny Distrikan'Ambohidratrimo. Nidina hatrany amin'ny 50% ny tahan'ny fanatodizan'ny akoho amin'izany... ♦ Miatrika ny Zaikabe faha-9, arahan'ny Fivoriam-be ny Fanilon'i Madagasikara. Fihaonana hatao ny 29 aogositra hatramin'ny 6 septambra izao, eny Ambohipo...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...