♦ Tratehaka tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly ny teratany Sri-lankais izay nikasa hanondrana an-tsokosoko vato sarobidy... ♦ Handalo fitsaràna anio eny anivon'ny filan-kevi-panjakàna Anosy ny fitoriana izay napetraky ny "cellule de crise" ivondronan''ireo mpanao gazety nandà ny fifidianana birao vaovao maharitry ny OJM... ♦ Miantso ny mpitondra mahefa handray ny andraikiny manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ny Evekan'ny Diôsezy Morondava...
♦ Manao antso avo amin'ny mpitondra mahefa, hijery vahaolana maharitra momba ny tsy fandriam-pahalemana any amin'ny Faritri'i Menabe, ny evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien... ♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andrim-panjakana mpanao lalana. Samy nanome lanja ny asa vitan'ny fahefana mpanatanteraka ny filohany ; niombonana kosa ny tsy fisian'ny fandriam-pahalemana amin'ny faritra maro...
♦ Isaky ny talata fahatelo amin'ny volana oktobra no fanatanterahana ny fanombohana ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny parlemantera eto Madagasikara. Manomboka izao antoandro izao ny eny amin'ny lapan'ny antenimieram-pirenena... ♦ Andro faharoa amin'ny fikaonandoha iraisam-pirenena ho an'ny fitsarana sy ny tontolo iainana, anio, izay karakarain'ny fitsarana misahana ny ady amin'ny fanjakàna malagasy... ♦ Ampahafantarina ireo mpitsara eto Madagasikara ny foto-kevitra sy ny zo fototra mahakasika ny asa, ny aro loza sy fahasalamana eny anivon'ny asa, ny fenitra iraisam-pirenena momba ny asa...
♦ Namoy ny ainy ilay zaza 8 taona, isan'ireo sivily 6, naratra tamin'ilay lozam-pifamoivoizana nitranga teny Ambatobe, omaly tolakandro. Mandray an-tanana feno ny fikarakarana ny razana sy ireo marary mbola manaraka fitsaboana ny fiadidiana ny repoblika... ♦ Nanao Sit-in teo anoloan'ny fitsarana Anosy, ny fianankavian'ilay teratany sinoa antsoina hoe Kevin Yang, maty noho ny lozam-pifamoivoizana tetsy Mandrosoa ny 23 septambra lasa teo... ♦ Hanomboka anio ny fivoriana ara-potoana faharoan'ireo parlemantera eto Madagasikara...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco