♦ Voasoroka ny fifandonana teo amin'ny mpianatry ny Lycée Technique Alarobia sy ny Lycée Technique Mahamasina, noho ny fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana sy ny mpampianatra... ♦ Mbola olana ho an'ny sehatry ny asa amin'izao fotoana izao ny fivoaran'ny valan'aretina Covid-19. Nanamafy izany androany ny solontenan'ny OIT eto Madagasikara...
♦ Parlemantera roa, anio, no hiatrika fanadihadiana eny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza. Voampanga ho nanodikodim-bola sy kolikoly, ary miatrika izany raharaha izany eo anivon'ny HCJ... ♦ Tokony hamafisina ny fanentanana fanaovam-baksiny, hoy ny VAMI, manoloana ny fitomboan'ireo tranga vaovaon'ny Covid-19, takiana ihany koa ny mangarahara tamin'ny teti-bola iadiana amin'izany, taona 2021... ♦ Maro amin'ireo raiamandreny amin'izao no tsy marisika handefa ny zanany any an-tsekoly manoloana ny firongatry ny halatra maso any Toliara-II. Olona 5 no efa matin'ireo mpangalatra maso...
♦ Nisy olana ny famoahana ny solika tokony hamatsiana ny mpanjifa manerana ny nosy tao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina. Nifanenjana amin'ny resaka trosa ny Fanjakàna sy ny mpandraharaha mpanafatra solika... ♦ Misy ny tsy fahafaha-mandoa karama eo anivon'ny Senat, 3 volana tsy nandray karama ireo mpiasa tsy raikitra sy miaramila... ♦ Afaka noho ny fisalasalàna i Ravo Nambinina, ilay nahasahy namoaka ny fisiana kolikoly teo anivon'ny Minsteran'ny fahasalam-bahoaka...
♦ Mbola nitohy hatramin'ny androany maraina ny olana tamin'ny fividianana solika tao Toamasina... ♦ Afaka noho ny fisalasalana tamin'ny fanohintohinana ny filaminam-bahoaka, saingy voasazy handoa lamandy iray tapitrisa Ariary, vokatry ny fanalam-baraka i Ravo Nambinina... ♦ Niaiky androany, ny kestoran'ny Antenimieran-doholona fa tena misy tokoa ireo mpiasa mbola tsy nandray karama hatramin'izao...
• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco