♦ Hafindra ao Tampoketsa distrika Ankazobe ny fitaovam-piadiana sy ny fitoerany ao amin'ny RAL teo aloha ao Imerintsiatosika. Ny fitaovam-piadiana goavana hafindra ao Arivon'Imamo, noho ny tetik'asa fananganana ny tanàna vaovao Tanamasoandro... ♦ Nisafidy ny Faritra Analanjirofo sy Androy hatao filamatra tsy hisian'ny fametrahana diky ankalamanjana ny fitondram-panjakana. Madiva ho fongotra ny fanaovana maloto ankalamanjana ho an'ny Faritra Androy. Kaominina 54 amin'ny 58 no efa niala tamin'izany... ♦ Vonona hampiakatra ny vokatra ronono eto Madagasikara ny tantsaha mpiompy. Mitaky tohana ahafahan'izy ireo misitraka karazan'omby afaka manome ronono 20 litatra mahery ny mpiompy ao Ambohijafy...

♦ Baolina kitra, mitarika amin'ny isa telo ao amin'ny vondrona misy an'i Madagasikara i Ghana sy Angola. Resin'ny Black Star tamin'ny isa 3 noho 0, alina ny Barean'i Madagasikara... ♦ Tsy mitsahatra mandroso hevitra hisian'ny fifampidinihina manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny ny CFM. Nisokatra omaly ny fivoriana ara-potoanan'ny Filan-kevitra Fampihavanana Malagasy... ♦ Hiroso amin'ny famadihana ny volamena voahangona ao amin'ny Banky Foiben'i Madagasikara hanana ny lanjany amin'ny lanjam-bola malagasy ny Fanjakàna. Any Suisse no hanadiovana ny volamena iray taona mahery... ♦ Homarihana amin'ny lanonana goavana hanomboka anio hatramin'ny alahady izay ny faha-70 taona nitantanan'ny Mpanjaka Elisabeth-II...

♦ Ho tanterahana afaka adiny roa sy sasany eo, ny lalaon'ny Barea sy ny Black Star. Lalao fifanintsanana amin'ny CAN 2023... ♦ Manamafy ny adisisika ho an'ny fifampiresahana ny CFM, manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Hiroso amin'ny famadihana ho "or monétaire" ireo tahirim-bolamena, ny eo anivon'ny Banky Foiben'i Madagasikara...

♦ Mila ahitsy ny lalana mifehy ny fitrandrahana. Fotoana tokony handinihina ny mahakasika ireo fifanarahana nataon'ny fanjakàna tamin'ireo orinasa lehibe manao fitrandrahana harena an-kibon'ny tany eto amintsika izao hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Reharehan'i Madagasikara ny fananana orinasa Malagasy 100% toy ny Equinvest any Toliary, izay vao manomboka misehatra eo amin'ny toe-karena manga sy mitrandraka ireo vokatry ny jono, manome asa ho an'ny Malagasy... ♦ Ho fanatsarana ny fanatanterahana ny fifidianana eto Madagasikara, mba hisian'ny fifidianana madio sy mangarahara, eken'ny rehetra ka hanjakan'ny fitoniana dia misy ny atrik'asa tanterahin'ny EISA miaraka amin'ny CENI...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...