♦ Efa nivoaka avokoa ny valim-panadinana Bakalôrea manerana ny nosy. Ny faritanin'Antananarivo no nahitàna taham-pahafahana ambany indrindra, taorian'ny fivoahan'ny vokatra ny faran'ny herinandro teo... ♦ Marary mafy ary manaraka fitsaboana any amin'ny hopitaly ao Nosy-be efa ho herinandro izao, ilay mpanakanto Ninie Donie. Manao antso avo amin'ny fanjakàna mahefa hitsaboana azy aty an-drenivohitra ny eo anivon'ny RMDM... ♦ Namoaka gazety boky voalohany ny "Aumonerie catholique universitaire de Madagascar ny faran'ny herinandro teo. FANJARY no anaran'izy io, hivoaka isaky ny enim-bolana... ♦ Mangataka ny fahafahan'ireo voamaina avy any Rosia ahondrana eo amin'ny tsena iraisim-pirenena ny Firenena Mikambana...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...