♦ Ny alahady 12 febroary 2023 no hapetraka amin'ny toerana maha Evekan'i Mahajanga azy i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Miantso fikaonan-doha ny Foiben'ny Fanabeazana Katôlika, manoloana ny nandaniana ilay tolo-dalana fanavaozana ny rafi-pampianarana, teny Tsimbazaza. Tsy omena lanja ny fanabeazana, raha Solombavam-bahoana 13 no nandany izany, hoy ny Talen'ny DINEC... ♦ Efa ho telo herinandro izao no miverina miaina ao anaty “délestage” indray, ny ao an-tampon-tananan'i Morondava. Nanipy andraikitra any amin'ny Préfet, ny Talen'ny Jirama any an-toerana...

♦ Nanao fanambrana ny Holafitry ny mpanao gazety, manoloana ny raharaham-pitsarana sedrain'ny mpanao gazety miisa roa... ♦ Ho fantatra amin'izao faran'ny herinandro izao, ary handray ny asany amin'ny alatsinainy, ireo tompon'andraikitra vaovao handray ny fitantanana eo anivon'ny orinasa Jirama... ♦ Andro faharoa amin'ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra na ny JIR, andiany fahadimy, izay atao any amin'ny Faritra Ihorombe, ny anio...

♦ Milaza ho tsy matahotra ny fitorian'ny GEL ny Transparency International eto amintsika, momba ilay raharaha fisiana kolikoly amin'ny fanondranana letchis. Efa nisy fanadihadiana 3 taona natao, talohan'ny namoahana iny fanairana iny, hoy Ramatoa Ketakandriana Rafitoson... ♦ Miakatra ny tahan'ny olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida eto Madagasikara. Mbola lavitra ezaka ny handresentsika ity aretina ity amin'ny 2030... ♦ Nitory ny fitondrana Malagasy sy ireo Andrim-panjakana rehetra tamin'ity Repoblika fahefatra ity, ny fikambanana Fiverenana Andoharano...

♦ Miantso ny olom-pirenena hampihatra ny fihetsika sakana manoloana ny firongatry ny Gripa mahery vaika miparitaka amin'izao fotoana izao ny fitondram-panjakàna. Ny ankizy moa no tena tratran'ity valan'aretina ity... ♦ Tsy nandany ilay volavolan-dalàna mifehy ny rafitry ny fanabeazana nolaniana omaly ny solombavambahoaka avy amin'ny antoko TIM... ♦ Tapitra ny fifampiresahana nikatsahana vahaolana tamin'ny tompon'andraikitry ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa hoy ireo solontenan'ny mpianatra avy amin'ny Université enina manerana ny nosy nanao ny kongresy teto Antananarivo...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...