♦ Tafapetraka omaly hariva eny amin'ny antenimieram-pirenena ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta Ntsay Christian. Solombavambahoaka miisa 105 no nanao sonia izany. Miantso ny fitoaniana ho an'ny olom-pirenena rehetra sy ny fahatongavan-tsain'ny mpisehatra pôlitika ny filan-kevitry ny Ministra hanavotra an'i Madagasikara... ♦ Nahery vaika ny fanoheran'ny mpianatry ny ENS, ny mpitandro filaminana tonga nandamina ny toe-draharaha teny Ampefiloha. Nivoaka ny faritry ny toeram-pianarana, ireo mpitokona omaly maraina... ♦ Maherin'ny 100 tapitrisa Dôlara ny trosan'ny Air Madagasikara ka tsy maintsy atao izay hanavotana ity kaompaniam-pitanterana nasiônaly ity, hoy ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina...

♦ Miisa 105 ireo Solombavam-bahoaka nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta. Tafapetraka teny Tsimbazaza, ny hariva teo izany... ♦ Ahemotra amin'ny alarobia 14 sy alakamisy 15 desambra indray, ny fifanatrehan'ny Governemanta sy ny Solombavam-bahoaka, izay saika hatao rahampitso alakamisy sy zoma izao... ♦ Nihanahery vaika ny hetsika nataon'ny mpianatry ny ENS Ampefiloha androany. Nisy ireo naratra vokatry ny savorovoro teny an-toerana...

♦ Naharatràna olon-tsotra sy mpitandro ny filaminana ny fitokonana nataon'ireo  Normaliens nampian'ny mpianatry ny ENS, teny Ampefiloha, androany maraina... ♦ Velon-taraina amin'ny tsy fivoahan'ny marina momba ilay mpianatra iray maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Manakara, ny fikambanan'ny mpianatry ny Oniversiten'Antananarivo avy any Fitovignany... ♦ Taolam-paty miisa 397, avy any Nosy-Varika, no tra-tehaky ny zandarimariam-pirenena afak'omaly. Olona miisa 07, no voarohirohy efa voasambotra hanaovana famotorana...

♦ Na nisy aza ny krizy eran-tany sy ny voka-dratsy nateraky ny fiovan'ny toetr'andro dia vitan'i Madagasikara ny nihazona naha-marin-toerana ny toe-karena faobe hoy ny Filoha Lefitry ny Banky Iraisam-pirenena ho an'ny Faritra Afrika Atsinanana sy Atsimo, Ramatoa Victoria Kwakwa... ♦ Isan'ny sakana amin'ny fampivoarana ny indostria eto Madagasikara ny olana amin'ny angovo, ny fahasarotana amin'ny fahazoana famatsiam-bola, ary ny olana eo amin'ny hetra. Omaly ny andro natokana ho  an'ny indostria aty Afrika... ♦ Mbola nikatso hatramin'ny omaly ny fivorian'ny Loholona nikasa handinika ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2023 noho ny fitakiana karama volana nôvambra nataon'ny mpiasa...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...