• Ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Ahitana izany androany ny any Bestiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro... • Mitady hiverina ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao, hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany noadiadiana teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly... • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohintohina ny asa fanamboarana ny Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka androany...
• Tombanana ho levona an-tanety any amin'ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny 24 ora, ilay rivodoza Faida. Foana avokoa ireo filazana loza voarain'ireo Faritra sy Distrika voakasika teo aloha... • Fanosehana ny olona ho eny an-dalambe ny fandrarana ny fivorian'ny mpanohitra tato ho ato, hoy ny Antoko VAMI. Manahy ny ho avin'ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara izy ireo... • Mihamaro isa ireo olona voatazona am-ponja amin'ny vanim-potoana fahavaratra tahaka izao. Lasa fomba ny fanaovan-dratsy ho an'ireo tsy manan-kialofana, mba ahafahana mahita toerana hipetrahana...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco