• Mitotongana indray ny lanjan'ny vola malagasy. Efa mihoatra ny 5.000 Ariary ny Euro iray ; niakatra ho 4.600 Ariary ny Dolara iray, araka ny hita ao amin'ny tranonkalan'ny Banky Foiben'i Madagasikara... • Hiroso amin'ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely ny Kaominina Antananarivo. Omena hatramin'ny alakamisy izao ireo mpivarotra ireo hialana eny an-toerana, raha ny fitarainan'izy ireo... • Nanome antoka ny eo anivon'ny Jirama, fa madio sy voatily ary manaraka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fanadiovana, ny rano vokarina. Nanitsy ny feo miely momba ny kalitaon'ny rano, ity orinasa ity...
• Mbola tsy nankatoa ny fifanarahana Afrikana momba ny Zon'ny Vehivavy i Madagasikara... • Ny 80%-n'ny hazo tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, dia fanao fanafody avokoa. Saingy efa manomboka ho ringana anefa izy ireo, vokatry ny fanimbana ny tontolo iainana ataon'ny olombelona... • Mitsipaka tanteraka ny fikasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hanoloana ny “Licence Taxi” isan-taona, izay handoavana vola 250.000 Ariary, ny mpitondra fiara karetsaka mivondrona ao amin'ny FTAR...
• Zava-dehibe ny fanamafisana ny fijerena ny maha olona, hoy ny Evekan'Antsiranana, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny fitsidihana ny Aomoneria Katolika eny amin'ny Oniversiten'Antsiranana... • Nanatanteraka hetsika nanehoany ny tsy fahafaliany, vokatry ny fiainana ny delestazy efa am-bolana maro, ireo mpanjifa any Morombe... • Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Anosimasina Moramanga, Lalam-pirenena faha-44, omaly maraina tokony ho tamin'ny 4 ora. Lehilahy iray no maty vokatr'izany...
• Tsy hisy fiantraikany mivantana amin'ny toetry ny andro eto Madagasikara intsony ilay rivodoza Jude. Olona iray no maty ary iray hafa naratra, vokatry ny fandalovan'ity rivodoza ity, ny faran'ny herinandro teo... • Manan-jo tanteraka handray fepetra ny mpitondra fanjakana manolona ny aretina vokatry ny fahasimban'ny sakafo tany Mahajanga, nandritra ny andron'ny 8 marsa teo, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy... • Mangataka ny hanaovana ny skotisma ho fikambanana ara-panjakana ny Firaisamben'ny Skotisma Malagasy...
• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco