• Tsy maintsy miroso amin'ny fikitihana sy ny fanovàna ny lalam-panorenana hoy ny tale kabinetry ny filohan'ny CENI ny fangatahana fandravàna ny CENI. Tsy misy andraikitry ny CENI hoy izy ny fikarakarana ny fifidianana nataon'ny mpanolontsaina tao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra...
  • Niova sahady ny vidin-tsolika eny amin'ny toby mpaninjara. Nidina 5.500 Ariary ny litatry ny lasantsy. Niakatra ho 4.890 Ariary ny gazoala. Fiovan'ny vidin-tsolika fandroany tamin'ity taona ity...
  • Omena sehatra lehibe ao amin'ny Faritra Anôsy : ireo tompon'andraikitra eny ifotony miandraikitra ny faritra arovana...
  • Vonona hiroso amin'ny fifampidinihana amin'ny filoha rosianina Vladmir Poutine ho fampitsaharana ny ady any Ukraine ny filoha Okrenianina Volodymyr Zelensky...

  • Mbola hitohy amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy ny rotsak'orana. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Nahitana izany omaly ny tany amin'ny Faritra Betsiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro...
  • Mitady hiverina indray ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany nohadiadiana teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly...
  • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohitohina ny asa fanamboarana ny lalana Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka omaly...
  • Nihaona tao Etazonia omaly ny filoha amerikana sy ny praiministra israelianina. Nambaran'i Donald Trump fa hiroso amin'ny fanaraha-maso maharitra ny faritr'i Gaza i Etazonia...

• Ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratra andrefan'ny nosy. Faritra maromaro no mahazo fampitandremana miloko mena. Ahitana izany androany ny any Bestiboka sy ny tapany avaratr'Alaotra Mangoro... • Mitady hiverina ny endrika sakatsakana tamin'ny taona 2015 amin'ny fitakiana atao, hoy ny sendikalista. Nangata-panazavana momba ireo namany noadiadiana  teny Fiadanana ny Randrana Sendikaly... • Niroso tamin'ny fandravana ireo trano manohintohina ny asa fanamboarana ny Rocade mankety Ivato ny tompon'andraikitra nanomboka androany...

• Tombanana ho levona an-tanety any amin'ny ilany atsinanan'ny nosy ato anatin'ny 24 ora, ilay rivodoza Faida. Foana avokoa ireo filazana loza voarain'ireo Faritra sy Distrika voakasika teo aloha... • Fanosehana ny olona ho eny an-dalambe ny fandrarana ny fivorian'ny mpanohitra tato ho ato, hoy ny Antoko VAMI. Manahy ny ho avin'ny fahafaha-maneho hevitra eto Madagasikara izy ireo... • Mihamaro isa ireo olona voatazona am-ponja amin'ny vanim-potoana fahavaratra tahaka izao. Lasa fomba ny fanaovan-dratsy ho an'ireo tsy manan-kialofana, mba ahafahana mahita toerana hipetrahana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...