♦ Marihana androany ny andro eran-tany ho an'ny skotisma. Hanao hetsika eny amin'ny ANS Ampefiloha ny Antilin'i Madagasikara tafiditra amin'ny fankalazana ny faha 100 taona nijoroany... ♦ Nomarihana omaly koa ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Tenin-dreny. Nisy ny atrik'asa natokana ho an'ny mpanoratra, ny mpikabary ary ny mpikirakira ny teny Malagasy nanamarihana izany... ♦ Niakatra 28% ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny tany amin'ireo EPP maherin'ny 10.000 nisitraka ny tetik'asa TAFITA, ary niakatra 25% izany ho an'ny fahaizana kajy... ♦ Niloa-bava momba ny toe-java-misy any Gaza ny tale jeneralin'ny OMS fa tsy misy fanajàna ny zon'olombelona intsony any amin'ity faritra palestiniana ity...
♦ Niakatra 28%, ny tahan'ny fahaiza-mamaky teny tany amin'ireo EPP maherin'ny 10.000 nisitraka ny tetikasa TAFITA, ary niakatra 25% izany ho an'ny fahaizana kajy, tany amin'ireo EPP ireo ihany... ♦ Hiara-hientana amin'ny fahatsiarovana an'i Baden-Powell indray ny Antilin'i Madagasikara, rahampitso 22 febroary, eny amin'ny ANS Ampefiloha... ♦ Mitaky ny fampitsaharana ny fametrahana ny Sekreteram-panjakana ho eo ambany fiahian'ny Fiadidiana ny Repoblika, ireo vondron'ny fiarahamonim-pirenena maromaro...
♦ Mbola azon'ireo vao feno taona atao ny misoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy aorian'ny fiverenan'ilay lisitra avy any amin'ny Distrika eny amin'ny Fokontany... ♦ Fonjaben'Antaimora : Miroso amin'ny fanomezana fiofanana arak'asa ho an'ireo vehivavy voafonja ny ministeran'ny fitsaràna... ♦ Mitaraina noho ny fanararaotana ataon'ireo mpanangom-bokatra any an-toerana ireo mponina ao amin'ny kaominina Andriambesoa Distrikan'i Betafo... ♦ Niatrika ny fitsarana Amerikana nanomboka omaly ny filohan'i Honduras teo aloha Juan Orlando Hernandez, voarohirohy noho ny resaka trafika zava-mahadomelina...
♦ Nahemotra ho amin'ny talata faha 27 ny volana febroary izao indray raha tokony ho tanterahana omaly ny fitsarana an'Andriamatoa Mbola Rajaonah... ♦ Tsy hihemotra amin'ny fampiharana ilay sazy famosirana ho an'ireo mpanolana zaza tsy ampy taona ny fitondrana Malagasy araka ny nambaran'ny mpitondra tenin'ny governemanta Rakotondrazafy Lalatiana... ♦ 21 febroary marihina ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tenin-dreny, loha-hevitra tamin'ity taona ity ny hoe "ny teny Malagasy teny mampandroso"... ♦ Ao Bande de Gaza, 5% amin'ny zaza latsaky ny 2 taona no tratrany ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka any amin'ny faritra atsimo...
• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco