♦ Maro ireo hetsika nankalazana ny Taom-baovao Malagasy, na dia andro fiasana aza ny androany... ♦ Misy amin'ireo Solombavam-bahoaka TIM am-perinasa ankehitriny, no tsy tafiditra ho kandidà atolotry ny Firaisankina... ♦ Mitana ny laharana faha-14 amin'ireo firenena maneran-tany, izay ahitana zazavavy miroso amin'ny fanambadiana mialoha ny faha-18 taonany, i Madagasikara...

♦ Kendrena ny 40% amin'ny vahoaka Malagasy no hahazo karan-tany eto Madagasikara, raha ny nambaran'ny filohan'ny repoblika tany Toamasina. Tsy azo ekena ny fangalarana ny tanin'ny vahoaka Malagasy hoy izy...♦ Hihena be ny fahata-pahan-jiro lavareny eto Antananarivo sy ny manodidina afaka volana vitsy, raha ny nambaran'ny tale kabonetran'ny ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo... ♦ Ho tanterahina ny 25 hatramin'ny 28 avrily ho avy izao ny tsenaben'ny fiompiana sy ny vokatra azo avy aminy, na ny FEPA andiany faha-16... ♦ Nody mandry omaly i Kalid Batarfi lehiben'ny AQPA any Yemen... Niroso tamin'ny fifidianana solombavambahoaka mialoha ny fotoana i Portugal omaly...

♦ Tamin-kafaliana tanteraka no nandraisan'ny Kristiana ny fanendren'ny Papa François an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa ho Eveka vaovao hitantana ny Diôsezin'i Miarinarivo... ♦ Nanolotra fanampiana samihafa ho an'ireo tovolahy mpiofana ao amin'ny seminera Prôpedetika Amboara Ambohidratrimo ny "VKM" Vehivavy Misiônera Katôlika ato amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Niavaka sy nakotroka ny fankalazana ny famaranana ny taona sy ny taom-baovao Malagasy tamin'ity taona ity. Loha-hevitra nampisalorana izany ny hoe "fifamelana fiombonana, firindrana"... ♦ Tafakatra 31.045 ireo teratany Gazaoui namoy ny ainy vokatry ny ady eo amin'ny Hamas sy ny Tafika Israeliana, raha ny tatitry ny Hamas...

♦ Ho fantatra amin'ny herinandro ireo kandidà 119 avy amin'ny vovonana Firaisan-kina amin'ny fifidianana Solombavambahoaka. Nandiso ireo vaovao miparitaka amin'ny Facebook Andriamatoa Marc Ravalomanana, omaly... ♦ Lehilahy iray, 63 taona, indray no tra-tehaka tamin'ny resaka fanolànana, omaly. Voalaza fa efa telo taona izao no nanolany ny zanany vavy vao 18 taona, ity raim-pianakaviana ity... ♦ Mbola maro ireo akon'ireo hetsika fanamarihana ny 8 marsa, nataon'ireo fikambanana samihafa eto Antananarivo sy avy any amin'ny faritra no hifampizarana amin'ny alalan'ny fampahalalana vaovao... ♦ Naneho ny fahavononany handamina ny ady eo amin'ny Rosia sy Ukraine ny filoha Turc, Recep Tayip Erdogan...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...