Ny tontolo misy ny vehivavy reny ankehitry dia feno rotoroto sy ahiahy eo koa ny fisedrana ny fanatontoloana. Ny tontolon'izy ireo dia feno rentirenty sy fahasahiranana. Na eo aza iretsy voalaza iretsy dia tokony tsy  hanadino loatra ny tenany ny vehivavy : ara-sakafo, ny fikarakarana vatana. Ilaina ny mifanatona, tsy mandeha irery. Mila mifankahazo tsara ny olona lahy sy ny vavy. Tsy hakivy dia tokony hahay hijery lafintsara foana isika. Itoeran'adidy lehibe ny vehivavy ka tokony hahery amin'ny famolavolana ny toe-tsain'ny ankohonana. Mila tohanana ny reny : Fifanampiana amin'ny raharaha ao an-trano, eo amin'ny fanabeazana ny taranaka ka mandrisika ny rehetra hitady ny fomba rehetra ary hiomana amin'ny fikarohana zavatra maromaro...

♦ Tsy tokony hiroso amin'ny fanambadiana raha mbola tsy nahavita ny fifampizahan-toetra, izay dingam-piainana mankany amin'ny maha olon-dehibe. Iaino ny dingam-piainana ankehitriny fa homano ny ho avy... ♦  Vitsy ny mpiasan'ny fahasalamana mazoto hiasa any ambanivohitra noho ny tsy fahampian'ireo foto-drafitr'asa ara-tsosialy ilainy ka izay no antony mandrisika ny olona hanao dokotera tena ; ohatra ny sekoly hampianaran'izy ireo ny zanany na ny resaka herinaratra... ♦ Ho fitsinjovana ny fahasalamana dia tokony handanjalanja ny zavatra hampidirina am-bava ny olona indrindra ireo nandalo teny amin'ny mpitsabo nentim-paharazana ; tsara kokoa ny manao fitiliana eny amin'ny mpitsabo matihanina.... Fandaharana "Ampela Miary".

Ny fanitsiana ny olona dia zava-dehibe mba hampirindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana "correction" dia dingana iray tsy maintsy lalaovana vokatry ny fitsarana nataon'ny olona iray na  olona maro. Ny sehatra hahitàna sy hampiarana ny fanitsiana dia eo anivon'ny ankohonana, ny sekoly, ny fandraharahana, ary ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana, raha ho an'ny mpianatra, dia fanazavana faharoa ireo lesona natao teo aloha. Ny fanitsiana dia tsy tokony hiteraka ratra ho an'izay hiantefany. Raha mizotra araka ny tokony ho izy ny fanitsiana eo anivon'ny ankohonana sy ny sekoly dia mora ny mandrindra ny fiaraha-monina. Ny fanitsiana olona iray dia tokony hifaningotra amin'ny zon'ilay olona voakasika.

Ny antony anaovan'ny olona dokotera tena dia  noho ny toeram-pitsaboana lavitry ny toeranam-ponenana, eo koa ny tsy fahampian'ny fahefaha-mividy, eo koa ny fiparitahan'ny  fanafody eny amin'ny toerana tsy natokana hivarotana ireny fanafody ireny. Ny olona manao dokotera tena dia ireo izay mamaritra ny fototr'aretiny samirery. Manosika ny olona hanao dokotera tena ihany koa ny toetran'ireo mpiasan'ny tobim-pahasalamana. Mahasarotra ny fitsaboana ara-medikaly ny fanaovana dokotera tena satria mety efa zary fahazarana raikitra ho an'ny vatan'ilay marary ny fanafody heverina hanasitra aretina, noho ny fihinanana fanafody be loatra tsy nahazoana toromariky ny mpitsabo... Fandaharana "Amperala Miary" vokarina eto amin'ny RDB.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...