Ny aina no toavina sy hajaina, izay ao anatin'ny vatana miaraka amin'ny saina sy ny fo ary ny fanahy. Ao anaty vatana ireo rehetra ireo noho izany dia tsy maintsy toavina izany ny vatana. Ny vehivavy dia mpitahiry ny aina, ka ny fanajana ny aina no tena sotoavina. Ny fanabeazana sy ny fibeazana no fototra ho fandaminana ny fihentanam-po...
Rehefa miresaka ny hoe toe-tsaina fototra entina miatrika ny fiainana dia matetika izay mahakasika ny tena manokana hatrany no tonga ao an-tsaina. Tsy azo lazaina ho mivelatra tanteraka anefa ny olona iray, na atao hoe mahomby amin'ny lafiny rehetra aza, nefa manana disadisa eo amin'ny fiaraha-monina. Mitaky finiavana sy fandavan-tena lehibe, noho izany, ny ezaka hahazo ny hafa, izay tsy maintsy fantarina amin'ireo lafiny dimy maha olona. Dingana voalohany amin'izany ezaka izany ny fifehezan-tena tsy hitsaratsara foana.
Herintaona mahery no niatrehantsika ny valan'aretina nateraky ny Coronavirus. Nampisy fiovana teo amin'ny toe-tsaina sy ny fomba amam-panao ny fihanak'ity valan'aretina ity. Fiovana mankany amin'ny fandrosoana ve ? Sa mitondra fihemorana kosa ?
Ny aretina no hiadivana ao anatin'ny tanjona ara-pahasalamana. Ny aretina no mampikorontana ny rindra efa ao anatinao, noho ny antony maro samihafa, io no tianao haverina ka io ilay tanjona ara-pahasalamana. Mila manova toem-po sy toe-tsaina isika entina miatrika ny valan'aretina, mitaky ezaka izany ary mila fahalalana ho fototra...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco