Tsy andro fety ny 8 marsa fa andro manerantany hatsiarovana ny fitakian-jo. Loha-hevitra tamin'ity taona ity: Vehivavy mizaka tena sy miarin-doha anaty tontolo iainana mirindra ho amin’ny fandrosoana lovainjafy. Ny vehivavy dia afaka mampandroso ny firenena araka ny toen-tsaina ananana, ary afaka mampita izany amin'ny taranaka. Vehivavy mizaka tena mira mahefa, mifanampy amin'ny lehilahy...
Ny tanjona dia ny hampihenana na hampitomboana ny ampahany na ny vatana izay fototry ny fahasalamana. Ny toe-batana vaventy na manifinify dia mety ho vahana nolovaina ary ilàna ezaka ny hiazomana azy. Tahaka ny olona manana tanjona rehetra dia mila vonona hiezaka ianao, handamina ireo korontana fototry ny tsy fahasalamana...
Omeo lanja hatrany izay efa manandanja aminao hatramin'izay. Mila manontany tena isika. Raha te ho vahaolana dia ilaina ny mametraka ny zavatra rehetra amin'ny toerany sahaza azy araka ny lanjany. Matetika isika dia very amin'ny hamehana ary manadino ny manandanja. Raha ny fahamaikana no hatao fiainana dia tsy ho tafita isika...
Ny fandaharana dia namaritra tetiandro, indrindra amin'ity taona ity dia ny firesahana ny tanjona ara-pahasalamana mahakasika ny vehivavy. Mba hanampiana ny vehivavy ohatra ny firesahana ny antony mankarary kibo ny vehivavy rehefa ao anatin'ny fadimbolana ; satria potika sy miharava ny rindrin'ny tranon-jaza. Misoroka ny fanaintaina ny fisotroana rano mafana...
• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco