Ny dingana ho amin'ny fanatrarana ny tanjona eo amin'ny fiainana dia miainga amin'ny paikady toy ny fananana toetra tsy manjehy ny andro ho lava, ny famaritana tsara sy mazava izay hatao, hiainana ilay teny hoe : Aza mihetsika aloha fa mialohan'ny hiaingàna dia fantaro hoe ho aiza ianao...

Ny atao hoe fanabeazana : dia fikoloina hahatonga ny olona iray ho olombanona izany mikolo ny maha olona, fampivelarana ny vatana, ny saina ary ny fanahy. Ny endrika hamantarana fa nahazo fanabeazana : olona tia mandray andraikitra, mendrika ara-pitondran-tena, manaja ny tenany sy ny hafa. Ny tompon'andraikitra amin'ny fanabeazana dia ny ray aman-dreny no voalohany indrindra, ny mpampianatra, ny fiaraha-monina hotronon'ny haino aman-jery, ary farany dia ny fiangonana. Ny antony mbola mahamaro ny herisetra : Tsy ampy ny fanabeazana sy ny fiomanana ny tanora hirotsaka amin'ny sehatry ny fanambadiana, ny tahan'ny fahantrana. Tsy ampy intsony ny fifandraisana eo amin'ny Ray aman-dreny sy ny zanaka. Mahery vaika ny fanatontoloana sy ny fiparitahan'ny zava-mahadomelina...

Ny fandinihana ny fiaraha-monin'ny zava-mananaina rehetra no atao hoe "écologie". Antoky ny fahasalamana ny tontolo manodidina antsika. Raha misy fikorontanana ny manodidina dia misy akony ratsy foana, ny rivotra, ny rano sotroina, ny hazavana entin'ny masoandro. Mihena ny ely rehefa miaina ny fitsaharan'ny  fadimbolana ny vehivavy, mila omanina ny fiatrehana izany amin'ny lafiny ara-tsakafo sy ny fisotroana rano ary ny fikoloana ny tontolo manodidina...

Ny tsingerina dia misy fohy sy lava, fa ny antonony dia 26 hatramin'ny 32 andro, tsy midika hoe marary akory ny olona misy ireo tranga samihafa ireo fa efa izay no toe-batany. Fanisana ny tsingerina : miainga amin'ny andro voalohany hisian'ny rà amin'ny lalan-jaza, arahan'ny fadimbolana 3 hatramin'ny 5 andro. Tokony ho fantatry ny ray aman-dreny ary hampahafantarina ny zaza ny resaka tsingerina...

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...