Ny safidy ihany sy ny fanajana azy no ahitana filaminana, fandrosoana ary fahatsaram-piainana. Maniry ny Malagasy mba hanana safidy ary hanaja ny safin'ny hafa. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Fantaro hoe : inona no safidinao eo amin'ny fiainana. Ny safidinao no hitondra fiadanam-po, fiadanan-tsaina, fiadanam-panahy. Ny safidy no mampivelatra sy mampisondrotra ary manatsara ny fiainana ho avy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika noho ny tsy fahaizana manaja ny safidin'ny hafa. Ny fanajana safidy dia mitondra filaminana sy fahatsaram-piainana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny safidy no maha tompon'andraikitra. Ny fanabeazana dia fanomanana ny olona ho tompon'andraikitra ; ny fitaizana dia manomana olona ho tompon-toerana amin'ny sehatr'asa izay misy azy. Raha te-hanamafy ny maha-izay sy ny maha-izy dia manàna safidy. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco