Ny safidy atao manoloana tranga isan-karazany dia miteraka vokatra tsara na ratsy ; tsy misy olona hafa tokony ho tompon'andraikitra amin'ny safidinao. Ny safidy dia avy amin'Andriamanitra, indrindra ny fomba fifandraisana eo amin'ny olona roa. Raha tambazana vola na zavatra hafa ny safidy dia midika izany fa fanerena ankolaka, fikatsahana tombontsoa manokana fa tsy tombontsoa iombonana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Fandaharana nitety vanim-potoana maro ny "mba ho vanona", niatomboka tamin'ny fandaharana "fitiavana sy ny tontolony" ary ny "E.V.A". Mpanetana nanao ny ezaka nampanjary ny fandaharana Andriamatoa Flavien Rakotoarison, efa naharitra 28 taona no nanaovany izany asa izany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Manana ny lanjany ny safidy eo amin'ny fiainantsika manokana, sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny safidy dia fomba fifandraisan'olona roa, napetrak'Andriamanitra, na sehatra roa samihafa, ka hahitana vokatra tsara ho an'ny andaniny sy fahafahampo ho an'ny ankilany ; taratra ao anatin'izany ny fifanajana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny safidy tsara dia ahitana fahafahampo ho anao, ary vokatra tsara ho an'ny manodidina. Na eo amin'ny ankohonana misy anao izany, na eo amin'ny fiaraha-monina, na eto amin'ny firenena ; olom-pirenena tompon'adidy ianao sy izaho koa aoka hanana heri-po hatrany. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
• Mahaiza miaina amim-pilaminana ary samia manao tsara ny asany. Io no hafatra nanentanan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara ny mpino rehetra, taorian'ny Fivoriambe izay notanterahin'izy ireo teto Antananarivo… • Nifarana omaly ny Fihaonamben'ny Pretra Diosezanina, izay notanterahana tany amin'ny Diosezin'Antsirabe. Pretra 1126 no niatrika izany… • Làlana iray itomboana ny aretina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco