Manomana an'ireo tanora ho lasa tompon'andraikitra any amin'ny fikambanan'ny tantsaha samihafa manerana ny nosy, misy azy mivondrona ao anatin'ny tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny tambazotra "SOA". Homanina ihany koa handimby an'ireo mpitantana zokiny amin'izao fotoana izao.

Nandrombaka ny medaly volamena ho an’ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin’ny fifaninanana eran-tany amin’ny famokarana cacao mifanaraka amin’ny kalitao takian’ny tsena iraisam-pirenena ny tantsaha ao amin’ny vondron’ny kaoperativa « Lazan’i Sambirano » any amin’iny Faritra Diana iny tamin’ny taon-dasa. Mbola tantsaha ao aminy koa no nahazo ny medaly alimo.

Nahomby amin'ny ankapobeny ny tetik'asa niarahan'ny sampandraharahan'ny firenena mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena na ny FAO sy ny governemanta malagasy notanterahana tany amin'ny Faritra Sava. Tetik'asa nampihena ny fifindra-monin'ny mponina mankany ivelany indrindra fa ny vehivavy.

Mampitombo ny fahalalany sy ny traikefany hanatsaràna ny seha-pamokarana ilofosany, ao amin'ny Ivon-toeram-piofanana momba ny fampandrosoana sy ny fahavitan-tena eny amin'ny tontolo ambanivohitra na ny CEDAR Ezaka Maintso, ireo tantsaha ao amin'ny kaominina Ivato sy Kaominina Talatamaty ato amin'ny distrika Ambohidratrimo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...