Manomana an'ireo tanora ho lasa tompon'andraikitra any amin'ny fikambanan'ny tantsaha samihafa manerana ny nosy, misy azy mivondrona ao anatin'ny tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny tambazotra "SOA". Homanina ihany koa handimby an'ireo mpitantana zokiny amin'izao fotoana izao.

Andiany faha enina no miatrika ny fanofanana amin'ity taona 2022 ity, ka tanora 17 mianadahy avy amin'ny Faritra 11 no nanaraka fiofanana dingana faharoa teto an-drenivohitra ny volana marsa lasa teo. Misy dingana dimy moa ny fiofanana, ka isan'izany ny serasera sy ny fandraisam-pitenena, famaritana ny vina, ireo tetik'asa misy, azo iarahana miasa, ahafahana mampandroso ny eny ambanivohitra.

Vonona hampandroso ny famokarana any amin'ny faritra misy azy, ireo tanora misitraka fanofanana, izay iankinan'ny fahombiazan'izy ireo amin'ny andraikitra ho sahaniny. Tsy manana ahiahy intsony izy ireo amin'ny fitarihana ireo manodidina azy, hanatsara ny famokarany. Manana ny fomba enti-manana, izay noratovina tamin'ny fampiofanana. Manofana an'ireo tanora homanin'ny tambazotra "SOA" ho lasa mpitarika any amin'ny fikambanana misy azy ireo ny CEPA... Sehatr'asan'ny Tambazotra "SOA" nanomboka tany amin'ny taona 2015 ny fanofanana ny tanora ho lasa mpandraharaha amin'ny sehatr'asa eny ambanivohitra sy ny famolahana ireo tanora ho lasa mpitarika amin'ny fikambanana misy azy, any amin'ny faritra samihafa.

Tanora 18 hatramin'ny 35 taona moa no misitraka izao tohana ataon'ny tambazotra "SOA" izao hoy Andriamatoa Rakotonirina Tovoniaina Jocel, tompon'andraikitry ny tanora ao amin'ny tambazotra "SOA".

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...