Ny aty sy ny sarakaty dia taova mifanakaiky ary mifameno ny asany. Tsy voatery hisy fifandraisana amin'ny aretina mahazo ireo taova ireo ny fisehoana aretin-koditra. Ny toerana misy ireo taova ireo : ny aty dia manakaiky ny vavony amin'ny ilany avanana somary ambony ; ny sarakaty kosa dia eo ambanin'ny vavony. Ny tranga hamantarana fa misy aretina mahazo ireo taova ireo : Manompy mavo na misy tasy mena ny hoditra, mangidihidy ny vatana manontolo, mamofona ny ativava, matetika manana olana amin'ny fivalanana (mitohina na mivalana), rera-dava, mavesatra ny ilany avanana raha ny aty no marary, ary ny avia raha ny sarakaty no misy olana.

Amin'izao fotoana ny andro ririnina izao no mampitombo kokoa ny fanaintainana eo amin'ny vanin-taolana. Ny fisehony : manaintaina ny vanin-taolana, misy fivontosana, fihetsika voafetra. Tsy tokony hatao ny manotra ny vanin-taolana sao hanapaka ireo ozatra kely mampifandray ny taolana roa. Misy karazany roa ny aretin'ny vanin-taolana na ny arthropathie : ny arthrites  na ny fanafihan'ny otrikaretina ny vanin-taolana ; ary ny faharoa dia arthroses, izay fahasimban'ny taolana malemy eo amin'ny loha-taolana. Ny antony : vokatry ny dona, fahanterana, virisy hepatika (mamparary ny aty).

Ny andro mangatsiaka no mampihetsika ny aretim-bavony, izany hoe ny vanim-potoana ririnina. Ny aretim-bavony dia misy karazany maro : mamaivay, fery anaty, mandrezatra lava, mitsakoahana lava, loaka na maratra na tapaka ny lalan-kanina, ny homamiadan'ny lalan-kanina na ny homamiadan'ny vavony. Ireo fambara mety hisy : maheno fivokonana na mikainkona ao anaty vavony, mamaivay, maloiloy ary mety hando, miziriziry. Ireo karazan-tsakafo mety hampiombo ny aretim-bavony : sakafo betsaka "épices", vinaingitra, toaka, fihinanana fanafody fanalana fanaintainana matetika tsy araka ny toro-mariky ny mpitsabo.

Ny taovam-pananahan'ny lehilahy dia manana firafitra, izay hita ety ivelany sy ny any anaty. Ireo tazana ety ivelany dia ny filahiana, ny voa izay misy fonony ; ireo ao anatiny kosa dia ny fantson'amany sy ny ranonaina, ny taova mamokatra ranonaina. Ireo aretina mety hahazo ny taovam-pananahan'ny lehilahy : areti-koditra, aretina azo avy amin'ny firaisana na vokatry ny tsy fahadiovana "herpes", syphillis. Mba hitsinjovana ny fahasalamana dia tsy tokony ho tery loatra ny pataloha ary tokony ho "coton" ny karazan-damba manolo-koditra, tandremana tsara mba tsy ho voadona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...