Rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina toa izao dia isan'ny taova mora andairan'ny aretina ny orona. Ao anatin'ny orona dia ahitana kambon'orona izay ilaina, ary misy karazany telo ireo : kambon'orona ambany, ampovoany ary ny ambony. Misy lavaka miisa roa amin'ny faritra ambonin'ny orona, ireo dia mampifandray ny orina amin'ny tenda sy ny sofina. Ahitana retsika mifandray amin'ny atidoha mba ahafahana mandray sy mamantatra fofona. Ny asan'ny orona dia ifohana rivotra.

Tsy loza mitatao fa efa loza mihatra, mandoza, manimba eny amin'ny fiaraha-monina sy ny isam-batan'olona ny fiparitahana sy ny firongatry ny fandraisana zava-mahadomelina mahery vaika. Misy atsindrona, misy nyt fohana ary misy ny hohanina. Simba ny ati-doha sy ny taova maro hafa ao amin'ny vatana. Vetivety ny fiankinan-doha. Sarotra ary manahirana ny fialana aminy. Manana andraikitra isika olom-pirenena tsirairay na iza ianao na iza hiady amin'izany mba hananana taranaka sy firenena vanona.

Maro ny antony mety hahatonga ny sofina hanana olana amin'ny fandrenesana. Manongilana loha sy sofina, na mamerina manontany matetika raha misy miteny aminy ny olona manana olana amin'ny fandrenesana. Mila fitiliana akaiky amin'ny alalan'ny "audiometrie" io olana io. Mety ho tratrany ny sokajin-taona rehetra. Misy karazany roa amin'ny ankapobeny : voalohany, olana eo amin'ny fidiran'ny feo ; faharoa, olana eo amin'ny fandraisana ny feo. Fa mety ho izy roa miaraka koa. Ananan'ny manam-pahaizana manokana momba ny sofina vahaolana daholo ireo. Ilaina ny manatona mpitsabo raha vao misy olana ny fandrenesana. Tsy fisikotra ny sofina, tsy tsara ny mihaino feo mafy loatra fa mety hanimba ny sofina.

Rehefa tsapaina amin'ny fitaovana fitsapana "tensiomètre", ny tosi-dra ambany dia ireo ambanin'ny 10 > 6,  na 9 > 6. Ny tosi-dra ambany dia mety ho toe-batana fa mety ho fambaranà aretina ihany koa. Misy antony ny fidinan'ny tosi-dra toy ny : fitaran'ny lalan-dra madinika, fikorontanana eo amin'ny fo, fahaverezan-drano be loatra, tsy ampy rano, fahaverezan-dra, aretin'ny voa, rarintsaina, havizanana, mety ho tsy fahazakana fanafody sasany ihany koa. Fambara : Fanina, valaka, midobodoboka be ny fo.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...