Ny andro mangatsiaka no mampihetsika ny aretim-bavony, izany hoe ny vanim-potoana ririnina. Ny aretim-bavony dia misy karazany maro : mamaivay, fery anaty, mandrezatra lava, mitsakoahana lava, loaka na maratra na tapaka ny lalan-kanina, ny homamiadan'ny lalan-kanina na ny homamiadan'ny vavony. Ireo fambara mety hisy : maheno fivokonana na mikainkona ao anaty vavony, mamaivay, maloiloy ary mety hando, miziriziry. Ireo karazan-tsakafo mety hampiombo ny aretim-bavony : sakafo betsaka "épices", vinaingitra, toaka, fihinanana fanafody fanalana fanaintainana matetika tsy araka ny toro-mariky ny mpitsabo.
Ny taovam-pananahan'ny lehilahy dia manana firafitra, izay hita ety ivelany sy ny any anaty. Ireo tazana ety ivelany dia ny filahiana, ny voa izay misy fonony ; ireo ao anatiny kosa dia ny fantson'amany sy ny ranonaina, ny taova mamokatra ranonaina. Ireo aretina mety hahazo ny taovam-pananahan'ny lehilahy : areti-koditra, aretina azo avy amin'ny firaisana na vokatry ny tsy fahadiovana "herpes", syphillis. Mba hitsinjovana ny fahasalamana dia tsy tokony ho tery loatra ny pataloha ary tokony ho "coton" ny karazan-damba manolo-koditra, tandremana tsara mba tsy ho voadona.
Misy karazany maro ny aretina mety ahazo ny tranon-jaza eo amin'ny vehivavy, mba tsy ho tara loatra ny fitsaboana dia tsara ny manantona ny mpitsabo raha vao misy tranga hafahafa eo amin'ny amin'ny manodidina ny kibo sy ny fivaviana na rera-dava. Ireto misy karazan'aretina : Endométrite, fibrome, omamiadan'ny tranon-jaza sy ny vozon'ny tranon-jaza, tsy fahatomombanana ao amin'ny tranon-jaza. Misy tranga tokony ampiahiahy ireto, izay tokony handrisika ny vehivavy hitsabo tena : mandeha ra tsy ara-potoana, manaintaina ny andovania, manana olana amin'ny fivalanan-drano sy vetiny...
Ny vanim-potoana ririnina dia mangatsiaka, tokony tsy hatao ambanin-javatra anefa ny fahadiovana : tanana, tongotra, vatana ary loha. Ny sokajin'olona rehetra dia tokony hidio daholo, zaza hatramin'ny lehibe ; ka in-droa isanandro raha vita dia ny maraina sy ny hariva. Ny olona tsy mandro dia tsy hahazo hafanana mihitsy satria tsy misokatra araka ny tokony ho izy ny maso-kodiny. Ny fahadiovana no fototry ny fahasalamana isan'izany ny akanjo sy vatana. Ilaina ny manao mafana satria raha magatsiaka loatra dia mandany hery "énergie" betsaka. Miezaha misakafo maro loko, madio sy mafana ary ara-potoana...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco