Ilaina ny fiarahan-dia eo amin'ny samy tanora, ny tanora sy ny mpanabe, fa ilàna fananana tanjona mazava. Ialana ny fiarahana manimba, ialana ny sakana toy ny fahasamihafana satria tokony ho tombony izany mba hampiombona. Asaina ny tanora mba hikatsaka mandrakariva ny hafaliana, ny hasambarana, ny fiadanana ary ny firindràna. Entanina ho tia vavaka sy hiombona amin'Andriamanitra ny tanora mba hanorina ho avy tsara.
♦ Ireo olona tsy mandeha manaho ny safidiny amin'ny andron'ny fifidianana no tokony hahazo tsiny fa tsy ny fanjakàna sy ny mpikarakara, zo izany ary izay no maha olom-pirenena... ♦ Ara-tantara dia efa ela no nisy olona teto Madagasikara fa tantara iniana disoina ny hilazana fa mpiavy ny malagasy... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Rehefa miditra amin'ny sehatry ny asa dia azo ambara ho matotra sy mahaleo tena ny olona iray. Betsaka ny tanora mitady asa, misedra olana anefa izy ireny noho ny filan'ny tsenan'asa mitaky traikefa izay mifanalavitra amin'ny fiofanana sy ny fianarana nataon'izy ireny. Araka izany ilaina ny toe-tsaina tsy mora kivy, ilaina ny fametrahana tanjona mazava mba ho solika hanosika ny tena hiasa tsara. Ny asa dia tsy tanjona fa lalana iray mitondra amin'ny famitana ny iraka sy tanjona ary ny filamatra...
Ny "vitamine" dia ireo singa izay hoentin'ny sakafo voajanahary ka ilain'ny vatana mba hafahan'ny miasa tsara. Misy karazany folo (10) ny "vitamine" izay azo sokajiana roa (02) : hydrosoluble ahitana ny B1, B2, B6, B12, B, C ; ary ny liposoluble dia ahitana ny A, D, E, K. Ny antony mahatonga ny tsy fahampian'ny "vitamine" : voalohany mety ilay sakafo mihitsy no tsy misy otrikaina ; faharoa eo amin'ny fikarakarana ny sakafo no misy tsy voahaja ka manimba ny otrikaina ao anatiny ; fahatelo fahaverezan'ny otrikaina na koa tsy voarain'ny vatana hono ny aretina ; fahaefatra dia ny tsy fahafahan'ny vatana mandanjalanja ny fampiasana ny otrikaina noho ny olana ara-pahasalamana hafa.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco