MIkaroka ny fomba hampahomby ny famokaran,a ara-pambolena hoan'ny eny ambanivohitra ny FARMADA. Isan'izany ny fametrahana ny marika manokana hoan'ireo ivon-toera-panofanana mivondrona ao aminy. Tanjona ny hantsaràna ny tolotra momba ny fanofanana hoan'ireo ivon-toerana ao aminy. Fanadihadiana.
Fandravonana ny loha-hevi-dehibe niarahana tamin-dRamatoa Aliettte Abraham, mpanabe, mpitaiza tanora, mpanorina ny fikambanana Otitsara, ivondronan'ireo tanora vehivavy indrindra indrindra, nandritra ity taona 2019 ity.
Mitaraina ny mpiompy noho ny fampiharana ny TVA amin'ny varotra katsaka amin'ny taona 2020. Hafa ny hevitry ny Fanjakàna... Vokatra ny letchis amin'izao fotoana izao, mitady lalam-barotra hoan'ny vokatra tsara kalitao eto an-drenivohitra ny tanora. Arahatsika ato amin'ny fandaharana ny fanadihadiana.
Tsy azo sarahana ny tambazotra eo amin'ny fiainan-tokantrano sy ny fiainam-pirenena satria ny ao amin'ny tokatrano no fiaingan'izany voalohany, koa Zo ny maha olom-pirenena ary mitaky adidy tsy hifampizaranao amin'ny olon-kafa. (04-12-2019)
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco