Fandravonana ny loha-hevi-dehibe niarahana tamin-dRamatoa Aliettte Abraham, mpanabe, mpitaiza tanora, mpanorina ny fikambanana Otitsara, ivondronan'ireo tanora vehivavy indrindra indrindra, nandritra ity taona 2019 ity.

0 : 00

Ny lohahevi-dehibe nobanjinina dia ny hoe : " Ny toetra tsotra, mahitsy, mahalala onony, hentitra sy maty paika, ary mitsinjo ny hafa, hanorenana fahombiazana sy fiadanana : eo amin'ny lafiny ara-batana, ara-tsaina, ara-po sy fitiavana, ara-panahy, ary ara-piaraha-monina.Izany hoe amin'ny lafiny maha olona manontolo.

Mahomby amin'ny tena sy eo amin'ny fiaraha-moonina.Miadana amin'ny tena : milamin-tsaina, milamina feon'ny fieritreretana amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra sy amin'ny mpiara-monina, amin'ny alalan'ny fifanajana sy fifampitsimbinana.Miezaka amin'ny alalan'ny tena, kanefa tsy manelingelina ny hafa ihany koa.

Miainga amin'ny tsirairay ny fahombiazana sy fiadanana.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...