(12-03-2020) Aza mba matahotra eo anatrehan'ny marina.
Mila paik'ady isika amin'ny fitondran-tena iatrehana ny fiainana andavanandro, raha te hiaina am-pilaminana, an-kafaliana, an-kasambarana, na dia tsy misy aza ny fiainana tonga lafatra. Hanampy antsika amin'izany ny fahaizana mandanjalanja ny : fahatokiana / fanahiana ; tompon'antoka / iharany ; miolon-ko azy/ mitodika amin'ny hafa.
Papa Bio na Papa Basile, tantsaha mpamokatra, misehatra amin'ny asa fampandrosoana ny eny ambanivohitra any amin'ny faritr'i Itasy, indrindra ny ao amin'ny distrika Soavinandriana. Mifototra amin'ny fambolena biolojika izy, mikaroka haitaom-pamokarana samihafa koa amin'ny fomba ahazoana izay vokatra biolojika izay.
(05-03-2020) Tsy afa misaraka amin'ny fanatsaram-piainana ny fahamarinana, ny fitiavana ary ny fandrosoana.
• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco