Alahady 24 oktobra 2021 — Alahady fahatelopolo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 46-52

Nisy fivoarana hatrany ny fomban'ny fiangonana, ka nanjaka ny firaisam-po. Araka ny voalaza hoe : izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Sabotsy 23 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Fa ny tenin’Andriamanitra kosa dia maharitra mandrakizay; ary izany no tenin’ny Evanjely izay notorìna taminareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 13, 1-9

Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny ain’ny zaza ao an-kibo, na nirina na tsy fidiny, na nampoizina na tsia satria avy amin’Andriamanitra ny aina, hoy ny evekan’i Madagasikara, manoloana ny volavolan-dalana momba ny fampitsaharana ny vohoka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...