Alahady 24 oktobra 2021 — Alahady fahatelopolo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 46-52

Sombin-tantara maneho ny maha mpanasitrana ny rofy mpanjo ny olombelona an’i Kristy mba ahafahana manara-dia azy amim-pitokiana, ity Evanjely nambara tamintsika teo ity.

Ny fihetsika nataon’i Jesoa, nijanona sy nampiantso an’i Bartime jamba, dia maneho mazava amintsika olombelona fa mihaino antsika mandrakariva Andriamanitra, mihaino ny feon’ireo miantso vonjy aminy na dia eo aza ireo manakatsakana sy manao izay tsy handrenesana ny feo toy ny nataon’ireo vahoaka nandrahona sy nampangina an’i Bartime. Miandry antsika mandrakariva i Kristy fa isika aloha no mila manaiky fa marary, jamba sy sahy mitalaho azy mba hositraniny.

Rehefa nantsoiny i Bartime dia tsy nisalasala nanary ny lamba firakony izay antoky ny fahavelomany, satria io lamba io no solon’ny trano onenany, io lamba io no miaro azy amin’ny hatsiaka sy ny hafanana ary io lamba io ihany koa no itahirizany ireo foin’ny olona mitsetra azy. Nariany sy nafoiny anefa izany rehefa nantsoin’i Jesoa izy. Natoky izy ka tsy nisalasala namoy izay noheveriny fa iankinan’ny fahavelomany.

Ilàna fahasahiana ny fanantonana an’Andriamanitra, ilàna fahasahiana ny mamoy ireo nitokiana mba hametrahana an’Andriamanitra ambonin’ny zava-drehetra sy hanantenana ny zavatra rehetra ao aminy. Ny olana dia hoe na dia eo aza Andriamanitra miantso antsika, miandry antsika dia isika mbola mifikitra amin’ireo heverintsika fa maha sambatra. Sahia manao toa an’i Bartime.

Fanontanian’i Jesoa no mamarana ny tantara : "Inona no tinao hataoko aminao ?", ny hahiratra. Nino i Bartime fa afaka hanasitrana azy i Jesoa ary dia tanteraka tokoa izany. Tsy finoana ho sitrana fotsiny anefa fa finoana nanome hery sy fitiavana Azy hanarahany dia an’i Kristy.

Mila Finoana lalina toa an’i Bartime isika raha te hositranin’i Kristy amin’ireo endrika fahajambana maro tsy hahitantsika Azy, tsy handrenesantsika ny feony, fa indrindra amin’ireo mamily làlana antsika tsy hanara-dia azy. Angataho Andriamanitra hanome antsika ireo fahasoavana ilaina mba hahafahantsika manara-dia marina an’i Kristy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...