09 aprily — Teraka tao Picardie tao France ny taona 1030 i Gautier. Mbola zaza izy dia efa nizotra tamin'ny lalam-pahamasinana sy ny lalam-pahalavorariana. Efa niezaka nanao ny fiain'ny mpitoka-monina izy tany amin'ny toerana nitaizana azy.

Ny famonjena hoy isika dia "firaisana aina" amin'Andriamanitra sy "firaisana hina amin'olombelona rehetra. Ny Fanahy Masina no manamasina lalandava ny Eglizy ary mitondra ny mpino hanatona ny Ray, amin'ny alalan'i Kristy. Ny endriky ny fitantanan'ny Fanahy Masina dia mampiombona, mampivondrona, mampiray aina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.

9 avrily 2025 — Alarobia, Herinandro Fahadimy amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 8, 31-42)

08 aprily — Julie Billiart no anarany. Ankizy tia vavaka izy ary maka fanginana matetika mba hiresahana amin'Andriamanitra. Zaza marani-tsaina i Julie : tao amin'ny sekoly izay notantanan'ny dadatoany izy no nianatra namaky teny sy nanaoratra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...