Manana adidy manokana ny olombelona hiezaka tsy tapaka hanakatra ny fahamarinana, ka hanaja azy ary haneho azy ao anatin'ny fandraisana andraikitra. Misy lanjany manokana mihitsy, eo amin'ny fifandraisan'ny mpiara-belona, ny miaina ao anatin'ny fahamarinana : mirindra ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny rariny sy ny hitsiny, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 17 jolay 2022 — Alahady fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo Andriamanitra, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 10, 38-42
16 jolay — Tsaroana amin’ity andro ity i Marie-Madeleine Postel. Mpanorina ny fikambanana ny Soeurs des Ecoles chrétiennes de la Miséricorde izy io ka ny 1500 amin’ireo relijiozin’ny fikambanana dia mitondra ny anarany.
16 jolay — Ireo relijiozin’i Carmel nantsoina tany am-boalohany hoe mpanirerin’i Masina Maria tao tendrombohitr’i Carmel dia tsy manasaraka mihitsy ny asan’ny Tompo sy i Maria Virjiny reniny. Ao amin’i Maria no ahitan’ireo karma ireo, ny anambaviny noho ny fahavirijiniany sy ny reniny izay nanome aina ny fikambanan’izy ireo.
• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco