19 mey 2023 — Zoma, Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo; handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 16, 20-23a)
Misy sivana tokony ho tsarovan'ireo mpanely tsaho sy mpilaza vaovao ireto, izay hatao hoe "test de trois passoires" : voalohany, marina ve ilay resaka tiana ho lazaina ; faharoa, tsara ho an'ny rehetra ve ; fahatelo, ilaina ve ny ampahafantarana ilay vaovao. Raha resaka tsy marina sy tsy mahasoa ary tsy ilaina na ho anao na ho an'ny hafa dia tokony alevina ; tokony mijoro amin'ny fahamarinana hatrany. Katesizy momba ny fanelezana tsaho, iarahana amin'i P. Randriamiandrinirinarivo Eric Franck - SDB.
Vehivavy mitia tanteraka amin'ny fitiavana marina i Maria. Tamim-pirehetam-po sy an-kafaliana, hainy ny nanokana ny fiainany mantolo ho an'Ilay Tena Fitiavana. Rehefa mibanjina azy isika dia haintsika ny manavaka ny tena fitiavana, amin'ireo ankoso-pitiavana sandoka, ary mazava amintsika io lafiny tena manan-daja lehibe amin'ny fiainantsika io, mitaha amin'ny azy. Hasivianandro fiomanana amin'ny fetin'i Masina Maria Vonjin'ny Kristianina. Andro fahefatra.
18 mey 2023 — Alakamisy, I Jesoa Kristy niakatra any an-danitra — Taona A — Fankalazana manetriketrika — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 28, 16-20)
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco