♦ Tontosa ny alahadin'ny Pantekôty lasa teo, ny faha-50 taonan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana eto Madagasikara... ♦ Hotanterahana any Rôma, ny sabotsy sy alahady ho avy izao, ny Andro Maneran-tany voalohany ho an'ny Ankizy... ♦ Nankatoavin'ny Papa François omaly ireo Décrets hirosoana amin'ny fanandratana ho olomasina an'i Carlo Acutis sy i Mompera Joseph Alamano, ary ny Vondrona Fransiskanina iray, martiry tany Damas tamin'ny taona 1860...
Nisitraka fiofanana momba ny fitantanana ny rano ireo tanora anatin'ny fikambanana FISOI sy SOAMITSINJO mivondrona ao amin'ny Réseau SOA. Fiaraha-miasa eo amin'ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR no ahafahana mamolavola ireto tanora ireto...
Anisan’ny mbola hamaivanin’ny olona ny fahasalamana ara-tsaina raha ny eto Madagasikara. Tranga mety hiseho amin’ny olona rehetra anefa ny aretina ara-tsaina. Ny fahasalamana ara-tsaina dia misy fiantraikany mivantana amin'ny fiasan'ny tsirairay sy ny fiaraha-monina, manamarina ny maha-zava-dehibe ny hetsika alohan'ny olana mba hampiroboroboana ny fahasalamana ara-tsaina. Ny fahasalaman'ny ara-tsaina dia fahafahan'ny olona iray manatanteraka ny vinany sy miatrika ny trangam-piainana, ahafahana miasa. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny fampirafesana no fototry ny fisarahana satria te hamaly faty hatrany ny iray ary tsy miraharaha ny fikarakarana ny tokantrano intsony. Fantaro mialoha sy ataovy antsaina fa olombelona ilay " tinao sy milaza ho tia anao " fa tsy anjely noho izany mora miova hevitra, manana fetra, osa sy malemy, be kilema. Rehefa mahita ny lafy ratsiny amin'ny toetra ny mpifankatia dia teraka ho azy ny fisarahana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco