Modely ho antsika rehetra i Masindahy Josefa amin'ny fahamarinany sy ny fahanginany. Lehilahy marina izy noho izy tsy nivadika tamin'i Maria. Tsy hay tohaina ny fitiavany an'i Maria. Tsy te hanala baraka ny vadiny izy ary noraisiny tsy am-pisalasalana ny iraka nankininan'Andriamanitra taminy.
Ny fandaharana dia namaritra tetiandro, indrindra amin'ity taona ity dia ny firesahana ny tanjona ara-pahasalamana mahakasika ny vehivavy. Mba hanampiana ny vehivavy ohatra ny firesahana ny antony mankarary kibo ny vehivavy rehefa ao anatin'ny fadimbolana ; satria potika sy miharava ny rindrin'ny tranon-jaza. Misoroka ny fanaintaina ny fisotroana rano mafana...
Alahady 28 febroary 2021 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako : henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 2-10
Rehefa miakatra be ny fatran'ny siramamy ao anatin'ny ra dia ny lalan-dra no mizaka azy voalohany. Ny lalan-dra madinika no tena voakasika indrindra, ohatra ny amin'ny maso izay mety hitarika areti-maso, katarakta ary mety ahajamba mihitsy aza. Raha ny amin'ny retsika kosa no hiantefan'ilay diabeta dia lasa tsy mandre intsony. Maro ny aretina mety ho vokatry ny diabeta : aretin'ny voa, tosi-dra...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco