♦ Mpianatra am-polony voasambotra, mpitandro filaminana telo naratra, vokatr'ilay korontana, nifandonan'ny mpianatra sy ny mpitandro filaminana tao amin'ny Oniversiten'Antsiranana... ♦ Tsy misy ny fampiasàna seza afovoany anaty fiara fitanteram-bahoaka eto Antananarivo...
Ny hafatra dia manandanja kokoa amin'ny olona hitenenana na ny olona mandray ilay hafatra. Ny hafatra manokana ho an'ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra mpanabe momba ny fanabeazana sy ny fampianarana amin''ity volana janoary ity : Mafana ny andro ka mila arahimaso ny fisotrona rano, ny akanjo sy ny fahasalaman'ny ankizy...
Alahady 24 janoary 2021 — Alahady fahatelo mandavantaona — Akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra ; minoa ny Evanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 14-20
Ny sampana mitsabo ny fararian'ny taolana dia tafiditra amin'ny fitsaboana tsy mampiasa afatsy tanana. Ny tanana no hitsapana ary ny tanana ihany no hoentina mitsabo, tsy mampiasa menaka. Ny aretina azo tsaboina eo anivon'io sampana io dia izay rehetra mifandray amin'ny taolana : Ozatra, nofo, taova, taolan-damosina, andilana...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco