Alarobia 21 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40
♦ Mbola maro an'isa amin'ny tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina ny eto Analamanga. Ny 329 tamin'ny tranga vaovao miisa 404 manerana ny Nosy dia teto amin'ny Faritra Analamanga avokoa... ♦ Mikatso ny toe-karena, voakasik'izany ny sehatry ny fizahan-tany. Aleo mba hisy fijerena miandalana ny famahana ny krizy ara-toekarena, hoy Andriamatoa Faly Ramakavelo, mpandraharaha amin'ny sehatry ny fizahan-tany...
♦ Toherin'ireo mponina sasany eny amin'ny fokontany Sabotsin'Ambatofotsy ny hametrahan'ny fitondram-panjakàna ilay fasan'ny Firaisam-po eny an-toerana... ♦ Naka ny hevitry ny HCC ny filohan'ny Antenimieram-pirenena, manoloana ny fahabangan-toerana, noho ny nahafatesan'ny solombavambahoaka an'i Manakara... ♦ Misy rivodoza miforona any Avaratra-Atsinanan'ny Nosy. Mitondra rivotra 55km/h ary tafiotra 70km/h...
Manindraindra ny fiainana mirenty ny fanatontoloana ary manaitra avy hatrany. Tsy mila ezahana akory ny miaina azy fa tafiditra ho azy ao anaty, ary iny no lasa lalam-piainana sy fanompoan-tsampy mihitsy aza ka miteraka korontana eo amin’ny fiainam-pianakaviana. Tsy misy intsony ny firaisan-tsaina fa samy maka ho azy. Manjavona tsikelikely ny fifankatiavan’ny mpianakavy ao an-tokatrano satria miriorio amin’ny fifandraisan-davitra amin’ny any ivelany. Katesizy momba ny fianakaviana iarahana amin’i P. Randriamanamahenina Robert Maria
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco