Ny taovam-pisehona dia ny taova mitondra ny rivotra sy ireo singa ilain'ny vatana. Ny firafitry ny taovam-pisefoana : orona, vava, tenda, traotraoka, havokafoka. Ny aretina mety mahakasika ny taovam-pisefona : misy aretina mandalo azo tsaboina, misy ihany koa ireo aretina mitaiza ; isan'ireo matetika mitranga ny gripa, covid-19, kohodavareny, soika, fahasimban'ny sela anaty avokavoka miaro rehoka, misy rano ny avokavoka. Ny antony mahatonga ny aretina : fanafihan'ny tsimok'aretina, sy ny bakteria, vovoka manify ao antrano, ny fahalotoan'ny rivotra eny amin'ny tontolo iainana izay mety misy singa simika, setroka sigara sy ny maro hafa...
Mampirisika ny tanora tsy ho kivy amin'ny fiainana i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina. "Fenoy an'i Jesoa Kristy ny fiainana, n'inona mitranga. Halalino ny finoana, ary aoka tsy hatahotra ny amin'ny maha-kristianina katolika", hoy izy, tamin'ireo tanora nandray anjara tamin'ny JMJ Mada andiany faha-10. Nanentana ireo tanora izy mba hijoro amin'ny maha-izy azy sy ho mendrika hitokisana. Katesizy nataon'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, ny 01 septambra 2022, JMJ Mada X, Antsirabe.
♦ Efa ao anatin'ny fiatrehana tanteraka ny JMJ Mada X, ireo tanora rehetra manerana an'i Madagasikara, any amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Maro ireo fandaharam-potoana efa natrehan'izy ireo. Entina amintsika ny andinindininy... ♦ Tamin'ny 20 hatramin'ny 25 aogositra 2022 no nanatanteraka ny Zaikabe iraisam-pirenena faha-8 ny Fikambanan'ny Mpitantana sy Mpiasa mandinika ny Baiboly, tany amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...
Mandrava ny voly seha-piveloman'ny tantsaha ny bibikely mpanimba voly tato ho ato. Velon-taraina ny mpamboly any ambanivohitra manoloana izany. Hirika iray ahafahana miady amin'izany no hoentin'i Pap Bio na Ranaivoarison Basile...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco