♦ Namaly ny fanakianana nataon'ny Vondrona Eorôpeanina azy, androany, ireo mpikambana ao amin'ny HCC. Nandefa taratasy misokatra any amin'ny Masoivohon'ny Vondrona Eorôpeanina eto amintsika, ny Filohan'ity andrim-panjakana ity... ♦ Nandiso ny vaovao niparitaka ny Minisitra Fidiniavo Ravokatra, fa tsy misy idirana ny momba ilay fanondranana volamena tratra tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato... ♦ Efa miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny vidin'entana ilaina andavanandro eto amintsika, hoy ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra, androany...
Isika olombelona dia Fanahy - Aina - Vatana. Ny fahafenoan'ireo singa ireo dia midika fa tsara ny olombelona. Ireo telo ireo no tomombana dia azo antoka ny fananganana ny rindrin'ny fahavanonana. Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Alarobia 7 septambra 2022 — Herinandro Tsotra fahatelo amby roapolo Mandavantaona — Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 20-26
♦ Nodimandry androany maraina ny Evekan'Antsirabe, Mgr Philippe Ranaivomanana. Ny alakamisy tolakandro izao no hotanterahana ny Lamesa fisaorana an'Andriamanitra sy ny fanaovam-beloma azy... ♦ Tokony hisy fanadihadiana mahaleo tena hatao ao anatin'ny fotoana fohy ny raharaha tany Ikongo, hoy ny mpiandrariny miahy ny zon'ny vahoaka, Ratsirahonana Lala... ♦ Ivon'ny atrikasa notanterahan'ny OIT androany, ny momba ny dinika ara-tsosialy. Nandray anjara ny avy amin'ny Minisiteran'ny Asa, ny solontenan'ny mpampiasa ary ny sendikalista...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco