♦ Notanterahana ny 12 sy 13 febroary 2022 ny fivoriam-be voalohany fanaon'ny Filankevitra momba ny Fitantanana ny Vahoakan'Andriamanitra (FFVA) eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Fanavaozana foto-drafitra sy fizarana mari-pahatsiarovana ho an'ireo tokantrano kristianina, no nanamarihana ny faha-95 taonan'ny EKAR Notre-Dame de Lourdes, Toamasina... ♦ Nankalaza ny faha-91 taonany tamin'ny 12 febroary 2022 ny Radio Vatican...
Fanazavana an-tsary maneho ny dingana fiomanana rehetra ain’ny Sinaody. Navoakan’ny foibe misahana ny Sianody ny Tahirin-kevitra Fiomanana sy ny Soridalana mba ho fitaovana ampiasaina eny anivon’ny Eglizy tsirairay amin’ny fanatanterahana ny dingan’ny Sinaody eo anivon’ny diosezy.
Alahady 13 febroary 2022 — Alahady fahenina mandavantaona — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 17. 20-26
Ny 11 febroary dia andro maneran-tany natokana hatsiarovana ny marary rehetra. Maro ny aretina mateti-pitranga rehefa fahavaratra, isan'ireny ny aretim-pivalanana, areti-koditra, aretin'ny taova-pisefoana, ary ny tazomoka. Mampiabo ny fipariahan'ny aretina rehefa fahavarana ny fikorontanan'ny tontolo iainana : rivotra maloto, rano miandrona sy maloto, ny fiovaovan'ny toetrandro, fifandimbiasan'ny hatsiaka sy ny hafanana.
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco