Alahady 13 febroary 2022 — Alahady fahenina mandavantaona — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 17. 20-26

Nirohotra nanaraka an'i Jesoa ny vahoaka satria namoy izay rehetra fananany mba hitady izay tsaratsara kokoa, ka tsy mahagaga raha nanaraka an'i Jesoa izy ireo, sady nandre izy no nahita ny fahagagana nataony. Mazava amin'izany fanarahan-dia an'i Jesoa izany fa tsy mora ny mifanisika amin'ny olona tao, etsy andaniny ny dia an-tongotra ,fa tsy mahakivy azy ireo anefa izany.

Ilaina ny faharetana amin'izany, ny manara-dia an'i Jesoa mantsy dia mandritra ny andro iainana manontolo. Osa sy malemy isika raha ny herin-tsaina ihany ka tokony hiantehitra amin'ny Ray. Midika ho toy izany ny valintenin'i Piera hoe : "ho any amin'iza moa izahay, ianao no manana ny fiainana mandrakizay". Io no fototra ahazoana ny fahasambarana lazain'ny Evanjely eto.

Ireo fahasambarana fototra ambaran'i Masindahy Lioka eto dia mampametra-panontaniana sy mahagaga ihany hoe ireo ve dia mahasambatra ? Sambatra ny mahantra fa azy ireo ny fanjakan'Andriamanitra, sambatra ny noana fa ho voky. Sambatra ny mitomany fa ho faly, sambatra ny ankahalaina sy mijaly fa lehibe ny valisoany any an-danitra. Tsy valisoa amin'ity tany ity no ampanantenain'ny Evanjely fa valisoa any an-danitra, nefa hifaliantsika dieny izao sahady.

Izay mifikitra amin'ny haren'ny tany dia faly amin'ny haren'izao tontolo izao ka tsy mahita ny harena miafina, fa ny tena harena dia ny harena miafina omen'Andriamanitra : ny fanjakan'ny lanitra. Azo lazaina fa anisan'ny fanalahidy ho amin'ny fiainana mandrakizay ireo. Miala ny vesatry ny fiainan'izao tontolo izao rehetra mba ho mora tafiditra amin'ny fanjakan'Izy Ray.

Hahafoy ny zavatra rehetra mandalo anie isika ka hifikitra amin'ny mandrakizay, manaraka izany aoka ho tsapantsika fa fanomezan'Andriamanitra avokoa izay rehetra eo am-pelatanantsika ka tokony hampiasaina hampivoatra ny fanjakany, hanaovana soa, izay lalana hisantarana ny fiainana mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...