Tany am-piandohana i Masina Maria dia reny niteraka, reny nikolokolo, reny niahy an'i Jesoa fa taty aoriana dia toa mpianatra izy. Ny Eglizy Tatsinanana dia matetika maneho an'i Maria ho ilay Mpanoro lalana. Ny tanany, ny masony, ny fihetsiny sy ny fiainany manontolo dia katesizy velona satria mandrakariva izy dia manoro sy manondro an'i Jesoa... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
5 taona lasa dia niaran-doza ny fianakavian'i Hary, maty vokatr'io loza io ny ray aman-dreniny ary fongana noho izany koa ny harenan'izy ireo, ka lasa 4-mi ny sisa velona. Misy tranga fakana an-keriny hafahafa tsikaritry ny mpitandron'ny filaminana ary nanokafana fanadihadiana. Ankizy eny amin'ny faritra iva no lasimbatra, ary isan'ireo nisy naka an-keriny i Hary.
Tsy ampy ny fanabeazana eto Madagasikara indrindra ny maha-olona. Mila heverina ny fandaharam-pianarana mba hanampy ny ankizy sy ny tanora hahay hiatrika asa aoriana toy ny fambolena sy fiompiana, rafitra, raharaha ara-barotra... Tokony omena lanja manokana ny taranja " Instruction Civique" sy ny "formations humaines" ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco