Alahady 22 janoary 2023 — Alahady Tsotra fahatelo Mandavantaona — Taona A — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 12-23
Rehefa tery na voatsindry ny retsika siatika dia miteraka fanaintainana eo amin'ny valahana, izay mety ahazo ny lehilahy 35 hatramin'ny 55 taona na ny vehivavy avy niteraka. Ireo antony : fihetsika tsy nahiana, fafindisoana eo amin'ireo taolam-pisaka kely amin'ny hazondamosina, fahanteran'ny hazondamosina, fahateren'ny fantsona kely ao anatiny, dona. Ny retsika siatika dia retsika izay manome ny fahatsapan'ny ampahany amin'ny rantsam-batana ambany sy ny ampahany amin'ny fihetsiny: ahatsapana sy manetsika ny rantsam-batana ambany. Fambara : Marary ny valahana, tsy mahavita mihetsika, voly ny tongotra, fanaintainana tsapa amin'ny ratsam-batana ambany...
♦ Asa fanirahana amin'ny endrika vaovao ny fanendrena maha eveka, hoy i Mgr Donatien Francis Randriamalala, Evekan'Ambanja... ♦ Homarihana amin'ny antsam-panahy sy famelabelaran-kevitra manoloana ny fivarotam-boky Masindahy Paoly Analakely, ny sabotsy 21 janoary 2023, ny fankalazana ny alahadin'ny Tenin'Andriamanitra... ♦ Hitarika ny Sorona Masina hankalazana ny “alahadin'ny Tenin'Andriamanitra” ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny Papa François amin'ny alahady 22 janoary 2023...
Maro ny fikarohana nataon'Andriamatoa Ranaivoarison Basile na i Papa Bio momba ny famokarana zezika kankana. Nahataitra ireo mpikaroka hatrany ivelany ny fikarakarany izany zezika izany tamin'iny taona 2022, lasa teo iny. Naniraka mpikaroka nihaona manokana tamin'i Papa Bio ny ivon-toerana fikarohana iray any Frantsa tamin'ny taon-dasa teo. Nifanakalo hevitra taminy momba ireo taharon-tsakafo omena ny kankana mamokatra ny zezika. Ora maro no naharetan'ny fifanakalozana. Papa Bio nanazava sy nanoro ieo sakafo omena ny Kankana. Feno hoy izy ny taharo maha zezika tsara kalitao azy...
• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco