♦ Niaka-tsehatra tao amin'ny haino aman-jerim-panjakana ny Filoham-pirenena androany, nanoloana ny savorovoro nandritra ny fanadinana Bakalôrea. Misy andian'olona, vitsy an'isa, misompatra ny fitondrana, hoy Andriamatoa Andry Rajoelina... ♦ Tsy ho foana tanteraka ao anatin'ny telo herinandro, ny delestazy amin'ireo tanan-dehibe eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Angovo androany. Mila fiara mpitatitra solika miisa 100 isan'andro, raha ny nambarany, raha tiana ho foana tanteraka ny fahatapahan'ny herinaratra...
Ny fanararaotana dia mety ho amin'ny lafiny tsara fa misy koa ireo manararaotra amin'ny ratsy. Koa araraoty ny andro azo hanaovana soa. Tsy lavitra izany ny fahasarotam-piaro, indrindra ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.
19 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)
♦ Miantso fitoniana ny mpiara-dia amin'ny fitondrana. Tokony hiomana haitrika ny fifidianana ny mpanao pôlitika, hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Fikambanana HIFFI, ny Pasitera Razafindramanitra Nestor... ♦ Hanohana an'i Madagasikara amin'ny sehatry ny angovo sy ny fanodinana sakafo, ny Vondrona Eorôpeana, amin'ny alalan'ny Banky BEI... ♦ Manohana ny tanora, hisitrahan'izy ireo asa mendrika, ny Rafitra Iraisam-pirenena momba ny Asa, na ny OIT. Tanora tantsaha miisa 1500, no kendrena hanana izany asa mendrika izany...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco