♦ Nitory eny main'ny Fitsarana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, miaraka amin'ny vadiny. Fitoriana miantefa amin'ny gazety iray mpiseho isan'andro, izay namoaka vaovao momba ilay raharaha niparitaka tamin'ny tambajotran-tserasera tamin'ity herinandro ity... ♦ Nahatratra 578 miliara Ariary ny vola noahiahiana fa nofotsiana teto Madagasikara tamin'ny taona 2020. Tsy nahasakana ny fampiasam-bola maolto ny fisian'ny krizy nentin'ny Covid, hoy ny tatitry ny SAMIFIN, androany...
♦ Ny volana Novambra hatramin'ny Avrily no vani-potoana hisian'ny rivo-doza. Ny rivo-doza dia faritra andro ratsy mitondra orambe sy rivotra mifofofofo amin'ny afangainam-pandeha 63km:ora, 300 hatramin'ny 1500km ny velarany ary 8km hatramin'ny 10km ny haavony... ♦ Ny varimbazaha dia ao anatin'ny fianakaviamben'ny "graminée". Novolena sy novokaraina hatao sakafo ny varimbazaha ary amin'ny faritra mafana sy be orana no mety aminy...
Notontosaina ny alarobia 8 septembra 2021 ny voady voalohany nataon'ireo Novisy Salezianina miisa 22 mirahalahy. Notanterahina tao Ivato, "Notre Dame de Clairvaux" izany fankalazana izany. Nanomboka tamin'ny 8 ora sy sasany maraina ny Sorona Masina izay notarihin'ny Mompera Bizimana Innocent, lehiben'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny nosy Maorisy. Teny manentana azy 22 mirahalahy ny hoe : "Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro" (Joany 15, 8).
Mba hampirindra ny fiainana ao an-trano dia ilaina ny teny fampirisihina eo amin'ny mpivady sy ny mpianaka. Ny fanaovana jeritodika ny tontolo andro dia zava-dehibe amin'ny fiainana ary ampidirina amin'ny vavaka hatao. Mirindra ny fiainana rehefa miaraka miatrika an'Andriamanitra ny mpianakavy. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco