Natoky tanteraka ny herin'ny fanavotan'Andriamanitra i Md Josefa. Modelin'ny fankatoavana ny finoana sy ny fitiavana ho antsika ao amin'ny Eglizy izy, tamin'ny "eny" nankatoavany ny sitrapon'andriamanitra araka izay nampitain'ny anjely taminy.
Alarobia 8 desambra 2021 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38
♦ Nitohy androany ny raharaham-pitsarana momba ny fifofoana ny ain'ny tompon'andraikitra ambony eto amin'ny firenena, na ny Apollo 21. Nisantatra ny fijoroana nanoloana ny mpitsara i Paul Ranoharana... ♦ Nodinihin'ny vaomeira mpanadihady momba ny ady tany, eny amin'ny Antanimieram-pirenena, ny antontantaratasy miisa dimy amin'ny roanjato voarain'izy ireo...
♦ Anentanan'ny Papa Ray masina ao anatin'ny tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany amin'ity volana desambra ity ny hivavaka manokana ho an'ireo katesista... ♦ Hofaranana amin'ny alarobia 8 desambra 2021 izao ny Taonan'i Masindahy Josefa. Ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo dia ny 12 desambra 2021 no hanamarihana izany... ♦ Nanao antso avo mba hisian'ny fanampiana ireo mpifindra monina ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana Apôstôlika nataony tany Lesbos, Grèce, omaly...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco