Ny fakam-panahy dia tena misy ary mambabo fa miankina amin'ny tsirairay ny mandresy azy. Ny endriky ny fakam-panahy dia mety ho olona manam-pahefana, manam-bola, manana bika aman'endrika mambabo fo. Raha te ho lasa lavitra dia mila miezaka mandresy ny fakam-panahy. Tsy entam-barotra akory ny vatan'olombelona fa tempolin'ny Fanahy Masina ary manana hasina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
♦ Nivadika ho rivodoza ary nahazo anarana ilay faritra andro ratsy ao avaratra atsinanan'ny nosy. Nitombo hery izy ka tany amin'ny 539 km avaratra atsinanan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro teo... ♦ Miendrika ho fanohanana an-kolaka ny kandidà IRD ny lanonam-pitokanana ataon'ny Filoham-pirenena amin'izao, hoy ny Fiombonana. Nambaran'ity antoko ity fa mandika ny lalàm-pifidianana ny mitokana zava-bita anaty fampielezan-kevitra...
15 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahafito Fankalazana ny Paka — Ny Fanahy Masina no hampianatra anareo ny zavatra rehetra, hoy ny Tompo, sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 11b-19)
♦ Namory ireo mpikambana anatin'ny rafitra tsy maharitra ho an'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny CENI androany. Nampahafantarina nandritra izany ny fizotran'ny fanomanana ny fifidianana... ♦ Hotanterahana ny 14 sy 15 nôvambra 2024, etsy amin'ny CCI Ivato ny CEO Business Forum. Maherin'ny 25 ireo firenena handray anjara... ♦ Tombanana hisy andro ratsy hiforona ao avaratry ny nosy amin'ny faran'ny herinandro, raha ny vina avy amin'ny Météo Madagasikara...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco