4 desambra 2024 — Alarobia, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 15, 29-37)
Amin'ny vanim-potoanan'ny "Avent" toy izao, ny Fiangonana Katolika dia mampiasa famantarana dia ny Fehezam-boninkazon'ny "Avent" (couronne d'Avent), izay ahitana labozia 4 , arehitra isaky ny alahady efatra mialohan'ny Noely. Ireo labozia ireo dia maneho herinandro efatry ny "Avent", labozia iray no arehitra isaky ny Alahady ary mifanaraka amin'ny herinandro ny isan'ny mirehitra. Ny telo amin'ireo labozia dia tokony miloko volomparasy ary ny iray ampiasaiana amin'ny herinandro fahatelo dia miloko mavokely.
• Fo sy fanahy no beazina eo amin'ny Sekoly Katolika, hoy i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, nandritra ny fanokafana ny Taom-pianaran'ny Fanabeazana sy ny Sekoly Katolika... • Ny fitsanganan'i Jesoa ho velona no manafaka ny alahelo, ary mamerina indray ny hafaliana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience Générale ny alarobia lasa teo...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco