• Miatrika ny Komity Foibe faha-46 ao Morondava nanomboka androany ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, na ny FFKM. Hisy ny hafatra sy ny fanambarana avoakan'ireo mpizaika mandritra izany...
  • Misy vokatra azo tsapain-tanana ho an'ny misitraka azy ny tetikasa vatsian'ny Amerikana vola, any amin'ny faritra atsimo atsinananan'ny nosy. Nitsidika ny telo amin'ireo tetikasa ireo androany ny Masoivoho Amerikana eto amintsika sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny fandrindrana ara-tsakafo...
  • Hotanterahana manomboka rahampitso ao Antetezambaro Toamasina, ny adina faharoa amin'ny fifaninana handraisana ireo mpandraharahan'ny fonja miisa 600. Tsy andeferana ny resaka kolikoly, hoy ny mpitantana ny ENAP...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...